Sendra hitako tampoka tao amin'i Boky Elle tamin'ity herinandro ity , ito resaka nifanaovana tamin'i Aldo Naouri ity. Afaka vakianareo eto, fa dia milaza aho fa mipetraha aloha!
Zavatra nolazainay tao, fa tsy tokony hiteny hoe "tiako ianao" matteika loatra amin'ny zanaka hono (misy isa tsy azo hoarana angaha?). Rehefa roa taona ny zaza dia ajanona tanteraka ny biberon (raha tsy mety ny zaza, dia ny ronono mihitsy no atsahatra, mora kokoa amin'izay). Mitovy amin'izay ihany koa ny tétine sy ny doudou, any amin'ny fako eo ny oe ihany , ary tsy mila hazavaina amin'ny zaza akory...Tsy mila hazavaina amin'ny zaza, fa didina syu bakoina izy! Ny fampandroana zaza miaraka amin'ireo zokiny efa feno 4 taona moa dia tsy azo atao mihitsy! Ary raha sendra mahita ny zaza milalao ny taovam-pananahany dia ràrana azy tanteraka izany...
Tsy hitako izay ambara...Firy taona io lehilahy io? 71? Izay angamba no antony mhatonga izao...
Soa ihany fa mbola misy zavatra mitombona lazainy, tsy azo terna hisakafo ny zaza rehefa tsy tiany izany, tsy kapohina koa izy.
Tsia, tsy mpitsambo zaza no asako, tsy mbola 71 taona aho, tsy manana trai'kefa aho izany. Manan-janaka fotsiny aho, taizaiko, isan'andro. Ary zanako naterako ireo. Toa hitako mihitsy aho manokatra ny daba-pako, manary ny tétines, doudou, biberons sns, tampoka eo tsy misy fanazavana. Satria efa feno 2 taona sy tapany ny zanako? Tsy azo kapohina hoe ny zaza? Eny e, fa misy zavatra mety aharary azy kokoa noho izany koa anie, sa tsy izany?
Ilay psychiatre Serge Tisseron, sy ilay sociologue Gérard Mermet ary ilay psychanalyste Claude Halmos rdia namaly an'i Aldo Naouri eto.
Dia hoy ianareo amiko hoe, ka tsy tokony hihaino an'io mpitsabo io izany izahay fa hihaino ny psy sy ny sociologue? Tsia, tsy miteny aho hoe henoy itsy na aza henoina ranona. Miteny fotsiny aho hoe tsy voatery hoe ny manam-pahaizana no mahafehy indrindra ny resaka fitaizana. Ny olona tokony ho henoinao indrindra dia ianao ihany, ny zanakao. Manana fahatokisan-tena.
Te hamaky ny version française, eto
Tohizana any amin'ny dinika FORUM
Hita ary fa ho an'ny ankizy dia ny aretina asthme no tena be mpiseho (misefosefo ny zaza) rehefa avy natao ny fanandramana ary ny zazakely kosa dia nampiana fitiliana ny allergie ihany koa sy ny fahafahana miaina ara-dalàna.
Ny valin'io fanadihadiana io moa dia nahitana fa ireo reny mampiasa itony rano misy zavatra chimique itony ny faramparan'ny vohoka na ao ariana kelmin'ny fahaterahana dia ahitana fa ireo zanany dia mety hisy fiatoana na fahasarotan'ny fisintomana fofon'aina, somary misioka ny feon'ny zaza rehefa miaina izy. Ary indrindra ao aorianan'ny fahavalo taonany.
Io dia hita ihany koa na dia zaza tsy misy allergie aza izy.
Mbola mila hamafisina moa ity fanandramana ity satria mbola tsy fantatra mazava hoe inona avy ireo rano fanadiovana na fitaovana tena mety hitarika aretina.